Lahatsary mahafinaritra iray hafa avy amin'ny Duke Lemur Center – SAVA Conservation.

"Nisy ekipa mpikaroka maromaro nandalina ny fifandraisana sarotra eo amin'ny olona, zavamaniry ary varika ao COMATSA (faritra voaaro akaikin'i Marojejy sy Anjanaharibe-Sud ao amin'ny faritra SAVA). Miara-miasa ireo mpikaroka avy amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, ny Oniversiten'i Duke, ny Duke Lemur Center, ny CURSA (oniversitem-paritra ao amin'ny SAVA), ary ny Oniversiten'Antananarivo mba handalina ny antony maha-zava-dehibe ireo fifandraisana ireo sy ny fomba ahafahan'ny fiovan'ny tontolo iainana manova ny fifandraisana ara-tontolo iainana. Amin'ny alalan'ny fampidirana ny fanadihadiana momba ny varika, ny tany fambolena, ny fanandramana fanaparitahana voa ary ny fahalalana ara-tontolo iainana ao an-toerana, dia manantena ny ekipa fa hampandroso ny fahatakarana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny ala ao COMATSA.